Tontolo iainana,

tanora, angovo azo havaozina


  • Talata 05 Mey 2026

5000 miliara Ar no hatokan’ny UE

amin’ireo tetikasa efa mandeha
Maherin’ny 5 000 miliara ariary na 1 miliara ariary mahery ny vola voalaza fa natokan’ny Vondrona Eoropeana ho an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao, hanohanana ireo tetikasa efa mandeha sy mbola ho tanterahina. Ireo fampiasam-bola ireo dia mifantoka amin’ny laharam-pahamehana telo lehibe: ny Pacte vert, ny tanora, ary ny angovo azo havaozina. Fanamafisana fiaraha-miasa mifandraika amin’ny Herinandron’i Eoropa, izay tanterahina ny 4-8 mey, ho fahatsiarovana ny faha 76 taona nankalazana ny Fanambarana Schuman, fototra niorenan’ny Vondrona Eoropeana. Navoitra fa ny maha zava-dehibe ny fanoloran-tena sy ny finiavana hiasa miaraka mba hampitomboana ny fiantraikany maharitra sy mirindra amin’ireo hetsika efa mandeha toy ny ao amin’ny Faritra Atsimo; ny filàna hampitomboana ny fampiasam-bola amin’ny asa azo tsapain-tànana miaraka amin’ny sehatra tsy miankina, indrindra eo amin’ny rojom-pamokarana ara-pambolena sy fiompiana, mba hanamaroana sy hampitomboana ny fidiram-bolan’ny mponina ambanivohitra ; ny fomba tena hisiana fandraisana anjara marina, miaraka amin’ny rafitra mandray andraikitra sy tatitra mazava momba ny asa vita eny ifotony, mifanaraka amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho amin’ny Fanavaozana. Hamafisina ny fiaraha-mientan’ny Governemanta, ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana, ny sehatra tsy miankina ary ny fiarahamonim-pirenena, ka hanohy hanamafy ny faharetan’ny olona mihoatra ny 250 000 ao anatin’ny kaominina 50 ao Anosy sy Androy. Ankoatra izany, tetikasa 45 tohanan’ny Équipe Europe no naseho tao amin’ny kianjan’ny oniversiten’Antananarivo nanomboka ny talata. Nihaona mivantana tamin’ny vahoaka ireo mpikarakara ny hetsika, mba hanazava ny fiantraikan’ny asa ataon’izy ireo eny ifotony. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-pampianarana: quiz momba ny fomba fiasa “Équipe Europe”, tantara an-tsehatra avy amin’ny kompania Miangaly, ary asa famoronana isan-karazany,… Na izany aza, efa betsaka ireo tetikasa sy famatsiam-bola notanisaina an-taonany maro be, fa hatreto i Madagasikara tsy tafavoaka. Aiza ny lesoka mila harenina ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT