Actualités

Tontolo iainana “Mifampiankina ny natiora sy ny olombelona”


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

“Mihena 68% ny harena voajanahary maneran-tany teo anelanelan’ny 1970 ka hatramin’ny 2016. Karazam-biby sy zavamaniry maro no efa lany tamingana.

 

 

Mitombo ny mponina eran’izao tontolo izao izay efa 8 miliara ankehitriny. Mitombo miaraka amin’izany ny filàna ara-tsakafo, ara-pitaovana, amin’ny lafiny angovo ary dia mitombo ihany koa ny fanimbana ny tontolo iainana. Nanomboka tamin’ny 1990 dia nihena 40% ny Loharanon-karena voajanahary na « Capital naturel » eran’izao tontolo izao kanefa ny famokarana dia nitombo avo roa heny. Mihamafy hatrany ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro toy ny fiakaran’ny hafanan’ny tany sy ny ranomasina, ny fitombon’ny entona mangeja hafanana amin’ny habakabaka, mitsonika ihany koa ireo ranomandry amin’ny tendron’ny tany” hoy ny tatitra « rapport planète vivante 2020 ». Manaitra hatrany ny voalazan` ity tatitra ity satria tandindomin-doza ny famokarana sakafo sy ny fahasalamana ary ireo zavamananaina isan-karazany satria tapaka ny fifandraisantsika taminy ary ny krizy maneran-tany nateraky ny Covid 19 dia ohatra mazava sy mivaingana amin’izany.Manamafy indray fa mifampiankina ny Natiora sy isika Olombelona, hoy ny “Planète Vivante”. Vokatry ny fikarohana nataon’ireo siantifika maherin’ny 125 amin’ny kaontinanta 5 eran’izao tontolo izao ity tatitra ity ary isaky ny roa taona no mivoaka izany ka mampiasa tondro manokana handrefesana ny fiantraikan’ny asan’olombelona amin’ny tontolo iainana izay antsoina hoe « Living Planet Index ».

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT