Actualités

Tontolo iainana Malagasy Manamora ny fihanaky ny tsimokaretina Ebola


  • Alakamisy 11 Septambra 2014

Tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo firenena 30 aty Afrika mety ho tratry ny tsimokaretina Ebola i Madagasikara, araka ny fanadihadiana nataon’ireo manampahaizana avy ao amin’ny oniversiten’i Cambridge

Niainga tamin’ny fikarohana ireo singa maro misy ifandraisany amin’ny tontolo iainana moa ity famoahana ny anaran’ireo firenena afrikanina tandindonin-doza ireo. Anisan’izany ny maripana, ny zava-maniry sy ireo biby manan’aina toy ny ramanavy. Manodidina ny 30 ankehitriny ireo tranga voamarina amin’ny fifindran’ity tsimokaretina ity mivantana avy amin’ny biby efa voa ka mipaka amin’ny olombelona. Mora kokoa avy eo ny fihanaky ny aretina amin’ny fifampikasohan’ny ra sy ireo rano maloto maro avoakan’ny vatan’olombelona. Ankoatra ireo karazana gidro sy bibidia dia voalaza fa biby ara-boajanahary mpamindra ny tsimokaretina Ebola ny ramanavy, araka ny fanambarana ofisialy navoakan’ireto mpikaroka ireto. Maherin’ny 2.200 ankehitriny ireo olona efa matin’ity areti-mifindra sokajiana ho tena mandripaka aty Afrika tao anatin’ny 40 taona. Samy manana ny fomba hiatrehany sy hiadiana amin’ity areti-mandoza ity moa ireo firenena isanisany. Ahoana kosa isika eto Madagasikara ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT