Raha niteraka resabe teto amintsika ilay tononkiran’ireo mpanankato 35 mianadahy nitondra ny lohateny hoe : « Salama fa mahia » dia nivoaka tamin’ny fahanginana nanazava izany izy ireo ny faran’ny herinandro teo.
Nambaran’i Ndondolah ao amin’ny tarika Ndondolah sy Tahiry fa tsy misy ambadika mihitsy iny hira iny fa fanentanana ny mpiara-belona aza mba samy hitandrina amin’ny fiparitahan’ny coronavirus eto amintsika. Notsindrian’i Luc ao amin’ny tarika Ny Ainga fa ilay hoe : Salama dia fampitahana ny Malagasy amin’ireo tera-tany vahiny hafa izay saika ripaky ny coronavirus avokoa ka zary nofy izany fahasalamana izany. Ilay mahia kosa hoy izy dia manambara ny fahasahiranan’ny tsirairay izay hitovizana avokoa na mahantra na mpanan-karena vokatry ny krizy ateraky ny fiparitahan’ny COVID 19. Farany moa dia notsindrian’izy ireo fa noforonina iny hira iny ho fanentanana ny mpiara-belona mba samy hitandrina ny fahasalamany, indrindra amin’izao salan’isan’ireo marary tsy mitsaha-mitombo eto amintsika izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.