Actualités

Tononkalo FRAM Novakiana teny Anosy omaly


  • Alakamisy 28 Aogositra 2014

Efa ela niafiana, Efa ela nijaliana Nefa nangina sy nilamina, Ireto mpampianatra FRAM.

Na ny Antenimiera

            Na ny minisitera

            Dia samy mihenahena

            Andraisana ireto akama

            Ho mpiasam-panjakana

Ireto mpampianatra tsy kivy

Na dia efa leon’ny ron’angivy

Ao ny olana miavosa

Sady efa bokan-trosa,

            Amin’izao fotoana izao,

            Hovay ny fomba fanao,

            Vohay midanadana

            Ny fandraisana anay ho

                  Mpiasam-panjakana

Andriamatoa minisitra ô !

Fenoy tanteraka ilay lisitra

Tsy manery fa miangavy,

F’efa betsaka ireo misara-bady.

            Amaranako ny teniko

            Dia hajanoko ny peniko.

            Nefa mba hevero re,

            Ireo mpitsoka sifle

            Sy mpitana lakire

            Fa tompon’ny lakile

 

 Razafindrabe Narcisse

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT