Nanamafy tamin'ny haino aman-jery ny tonia mpampanoa lalana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga
voalohany eto Antananarivo Rtoa Rakotoniaina Narindra Navalona ny sabotsy teo fa misy antony matoa naiditra am-ponja ireo olona voarohirohy tamin'ilay raharaha fanapoizinana izay tafakatra 22 ny maty. 8 no voarohirohy, 6 vehivavy, Ary 2 lehilahy.Rehefa nodinihina ny taratasin'ady sy ny mety ho andraikitry ny tsirairay. 3 izay vehivavy daholo no nadoboka am-ponja. Notsirihina ny finday, tamin'ny resaka nifanaovana tamin'ny tambajotran-tserasera,... "Mahazo matoky ianareo fa matoa naiditra am-ponja ireo olona ireo dia misy vesatra iampangana azy", hoy Rtoa Rakotoniaina Narindra Navalona. Namafisiny fa nisy singa mahery vaika sy mampidi-doza tao anatin'ny sakafo araka ny fizahana teto an-toerana, ary misy ny nalefa any ivelany. Mbola hitohy ny fakana am-bavany, fitsirihana ny resaka tamin'ny finday na "réquisition téléphonique", izay nomarihin'io mpitsara ambony io fa azon'ny Fitsarana sy ny polisy sy ny zandary atao tsara. MBOLA TSY MAHATSIARO TENA NY TOMPOM-PETY, MISY NY VESATRA MATOA TAZONINA Mikasika ny Tompom-pety izay miteraka resabe, dia mbola tsy mahatsiaro tena sy anatin'ny fitsaboana tanteraka izy sy ny anadahiny, ka tsy ahafahana maka am-bavany azy, hoy ny Tonia mpampanoa lalana. Manoloana ny fanehoan-kevitra sy fanambarana nataon'i Koloina Rakotondranaivo izay vadin'ny iray tamin'ireo voarohirohy, dia nanamafy io mpitsara ambony io hoe: "misy ny vesatra izay hitanay tao anatin'ny fanadihadiana. Manana ny antony sy ny vesatra ny Fitsarana. Nodinihina tsirairay ny mahakasika ny isam-batan'olona, ary misy vesatra". "Tsy tokony nanao iny fanambarana, famoahana ny anaranan`ny vadiny voarohirohy ao anatin’ny raharaha mahakasika ny fanapoizinana, teny Ambohimalaza iny i Koloina" , raha ny nambarany. Notsipihiny fa tsy manova ny fizotran'ny fanadihadiana anefa izany. Tsy maintsy manao fanambarana ny tompon'andraikitra rehefa misy fivoarany. Tsy tokony hanao famoaham-baovao mari-pototra, ka entanina ny tsirairay tsy handray sy hanaparitaka an'ireny, hoy hatrany io tonia mpampanoa lalana io.
Raha ny antotan'isa ny sabotsy teo, 19 no maty tao amin'ny HJRA ka maty ny androtr'io ny iray, 3 tany an-kafa 25 mbola tsaboina, 5 efa mihatsara,...
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.