Tonga ny fahavaratra

Mbola miverina mamely mafy ny delestazy


  • Zoma 07 Novambra 2025

Mbola miverina mamely mafy ny

delestazy na fahatapahan’ny herinaratra lavareny, raha ny tsikaritra tato anatin’ity herinandro ity. Tonga ny fahavaratra. Tsy nisy izay tsy naharaisana fitarainana ny isam-paritra. Ny teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina no efa nisy nahatratra adin’ny 12 indray na mahery aza. Andrasana fatratra, araka izany, ny fepetra hentitra sy azo tsapain-tanana raisin’ny fitondràna ankehitriny manoloana ny toe-draharaha mba tsy ho sanatria itoviany amin’ny teo alohany ihany na ny tena loza aza hoe mbola vao mainka ahitàn’ity firenena ity ny tena maizina ara-bakiteny. Miandry vahaolana maharitra hatrany hatramin’izao, araka izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT