Nigadona teto Antananarivo omaly 12 mey, ry Zoto 5 mianaka, rehefa avy namakivaky tanàna maro niainga tany Vangaindrano. Randrianarison Maurice na « Zoto » mivady, dia avy any Vangaindrano fa monina any Antsiranana.
LOUIS MICHEL RAMORASATA DIT ZOTO (1949-2013)
Raha ny tantara, dia Ratompokolahy Louis Michel Ramorasata no nitondra ny anarana « Zoto » voalohany. In-telo izy no nihodidina an’I Madagasikara, ka 21.600 km no totalin'ny lalana vitany: 9 mey 1976 ka hatramin’ny28 janoary 1977; 3 aprily 1983 ka hatramin’ny 6 novovambra 1983; 1 aogositra 1988 ka hatramin’ny 25 janoary 1989. Mpampianatra, mpanao gazety, coursier, “agent de maitrise de lubrification”... no asa nataony fahavelony. Nanoratra ny boky «Trois tours de madagasikara a pied», «Aller vers l'autre» no hafatra nampitainy tamin'izany hikatsahana ny fihavanana na dia ao anatin'ny sarotra aza. Nodimandry teo amin’ny faha-69 taonany ny 22 martsa 2013 tao amin’ny hopitaly Befelatanana izy vokatry ny takaitran’ny lozam-pifamoivoizana nihatra taminy ny 9 desambra 2012.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.