Tondro momba ny kolikoly

na IPC 2025 Nihemotra hatrany i


  • Alakamisy 12 Febroary 2026

Madagasikara, nanjaka ny jadona...

Namoaka ny tondro momba ny kolikoly na Indice de Perception de la Corruption (IPC) ho an’ny taona 2025Transparency International, izay nanatsikafona fa mbola ratsy toerana i Madagasikara. Amin’izao fotoana izao dia eo amin’ny laharana faha-148 amin’ireo firenena 180 isika, ary 25/100 ny isa azontsika raha 42/100 ny salan’isa manerantany. Raha ampitahaina amin’ny taona 2024 dia nihemotra toerana iray indray i Madagasikara, ary tato anatin’ny telo taona farany dia tsy mitsaha-mihemotra isan-taona ny laharana. Ny fandrefesana IPC dia mandinika lafin-javatra maro toy ny fanodinkodinana ny vola sy ny kitapom-bola ho an’ny daholobe, ny fahombiazan’ny fitsarana sy ny fitoriana raharaha kolikoly, ny fisian’ny rafitra ara-dalàna manohana ny ady amin’ny kolikoly, ny fahafahana misitraka vaovao momba ny raharaham-panjakana, ary ny fiarovana ho an’ireo mpampaneno lakolosy. Midika fa nihemotra indray isika, manaporofo ny faharetan’ny olana ara-drafitra eo amin’ny fitantanana, ny mangarahara ary ny fahitsiana ara-panjakana. Ireo antony manazava izany dia ahitana ny fahalemen’ny fanjakana tan-dalàna sy ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana, ny kolikoly izay heverina ho miorim-paka, ny fihenan’ny kalitaon’ny demokrasia (nihemotra avy amin’ny isa 21 tamin’ny 2023 ho 18 tamin’ny 2025 araka ny V-Dem), ny fahalemen’ny rafitra fanaraha-maso, ary ny fiantraikany mivantana amin’ny tolotra ho an’ny vahoaka sy ireo sokajin’olona marefo indrindra. Ny angona iraisam-pirenena dia manamarika ihany koa ny fironana mankany amin’ny fitondrana tsy refesi-mandidy na "autocratie", izay mametraka an’i Madagasikara ho isan’ireo manao “autocraties électorales”, mampitombo ny loza mitatao amin’ny fahalalahan’ny haino aman-jery, ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena ary ny andraikitra ara-panjakana. Raha fintinina dia mbola miatrika olana goavana i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly, ary mitaky ezaka hentitra sy rafitra matanjaka kokoa ny fanatsarana ny toerana. Mbola maneho ny fahapotehana sy ny tsy fahombiazan'ny Fitondrana Rajoelina io IPC 2025 io, izay nihemotra hatrany isika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT