Mahatratra 6 tapitrisa ireo olona mipetraka eto amin’ny lemak’Antananarivo amin’izao.
Saika miaina tondra-drano avokoa ny ankamaroan’izy ireo rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra indrindra fa ny eto Antananarivo renivohitra. Mba hahafahana miaro azy ireo amin’ny tondra-drano ary dia nahazo fitaovana raitra avy amin’ny tetikasa PRODUIR ny APIPA. Vondrona mpihary herinaratra manana tanjaka 1 010 kVA mba hahafahan’ny paompy mandeha na dia tapaka ary ny herinaratra no natolotra tamin’izany. Napetraka ao amin’ny "station de pompage" eny Ambodimita izy io foto-drafitrasa misintona ny rano amin’ny lemak’Antananarivo indrindra rehefa avy ny orana, ka mponina miisa 30 000 ka hatramin’ny 90 000 any ho any no voaaro amin’ny tondran-drano amin’ny alalan’ny fihodinan’ireo pompes ireo. Niampy kamiao lehibe miisa telo hitateraka ireo fako sy tsikafona manentsika ireo tata-drano eto an-drenivohitra izany ka anisan’ny hampiasana azy ohatra ny etsy amin’ny Canal C 3 izay fantatra fa efa ny 15%-n’ny asa fanadiovana sy fikarakarana hatreto no vita , asa henjehina mandrapahatongan’ny faran’ny taona. Tsiahivina moa fa nahazo tale jeneraly vaovao ihany koa ny APIPA. Tontosa afak’omaly Talata faran’ny volana Aprily ny famindram-pahefana teo amin’ny roa tonta. Fanambin’ny tale jeneraly vaovao ny hanohy ny asa tsara vitan’ny teo aloha sy hikaroka hevitra vaovao hiarovana ny lemak’Antananarivo amin’ny resaka tondra-drano.
Pati
Legende : Ireo fitaovana natolotra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.