Actualités

Tompon’andraikitra ambony efa nesorina Maro no mbola minono ny volabem-panjakana


  • Talata 08 Aogositra 2023

Vola be amina miliara no lany amin'ireo mpiasam-panjakana nitazona andraikitra ambony Tahaka ny Minisitra, Tale jeneraly, Sekretera jeneraly, Tale,...

ka nesorina kanefa tsy miverina amin’ny asany taloha fa mitsingevaheva noho antony tsy mazava. Misy anefa no mbola manao tsindry, mibaiko, mandrahona, manao herisetra amin'ireo izay mety mahalala tsiambaratelo mihitsy aza... ary tsy vitsy no efa lasibatra tamin'izany eo amin’ny asam-panjakana eto amintsika. Hena-maso sa tahotra avy amin’ny sampan-draharaham-panjakana niasany no mahatonga azy ireny toa mbola mitsabaka malalaka amin’ny efa tsy andraikiny intsony? Tsy mazava ve ny lalàna mifehy an’ireo olona avy notendrena amin’ny toerana ambony? Inona no fepetra raha avy tao amin’ilay sampan-draharaham-panjakana nisy azy no voatendry amin’ny toerana ambony misy azy ao? Miverina amin’ny asany taloha sa ahoana? Manao ahoana kosa raha avy any ivelany mihitsy, moa tsy tokony hiala dia miverina amin’ny toerany teo aloha raha mpiasam-panjakana, ary misintaka lavitra raha olon-tsotra aorian’ny mety ho fisitrahany ny zony telo volana aoriana? Lasa vesatra goavana ho an’ny Fanjakana ary mety ho mampitombo isa ireo mpiasam-panjakana matoatoa ihany ny fisian’ireny olona avy tamin’ny toerana ambony toa mbola minono ao amin’ny sampan-draharaham-panjakana nitazonany toerana ambony teo aloha tahaka izany. Manomboka maro ny fitarainana eo anatrehan’ireny olona ambony teo aloha izay mitsingevaheva sy tsy mitana andraikitra intsony, kanefa mbola minono sy misitraka ny volabem-panjakana ihany. Efa nisy ny fanadiovana nataon’ny Fanjakana mikasika ireo mpiasam-panjakana matoatoa, saingy mila hamafisina satria endrika fambotriana firenena.
Toky R

Ahiana ho mifandraika amin’ireo mpanao fakan-keriny ao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka. Mpitandro filaminana manodidina an’I Foulpointe manodidina ny 100 no efa nahetsika manao ny fanarahan-dia amin’izao fotoana izao. Efa navotsotr’ireo olon-dratsy kosa ireo olona 6 natao takalon’aina. V
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT