Mandeha ny resaka amin’ny hampidirana ireo manana trosa amin’ny Jirama mba
ho lasa tompona petra-bola na « actionnaires » ao amin’ity orinasam-panjakana ity, mba hanamaivanana ny fanohanana ara-bola ny orinasa. 150 hatramin’ny 250 tapitrisa dolara isan-taona eo mantsy ny fandrotsaham-bola na « subvention » arotsaky ny Fanjakana amin’ny Jirama. Vesatra tanteraka ho an’ny Fanjakana sy sakana ho an’ny fampandrosoana, kanefa tsy miteraka fivoarana raha ny zava-misy hita sy tsapa ankehitriny. Raha ny vola natontona tao mety efa nahatafatsanganana toby mpihary herinaratra amin’ny rano na amin’ny herin’ny masoandro tena goavam-be. Manampy trotraka ny fividianana lafo sy fivarotana fatiantoka amin’ny mpanjifa. Tsy orinasa mamokatra ho an’ny tombotsoa fa mibaby fatiantoka isan-taona, hoy ny mpandinika. 1500 miliara Ar ny fatiantoka, ary mety efa tafakatra avo roa heny aza. Tsy mamokatra mahaleo tena fa mividy amin’ny orinasa tsy miankina, ary mivarotra fatiantoka. Betsaka ihany koa ny endrika halatra sy fanaovana tantely afa-drakotra ny Jirama, ary efa nisy mpitantana ambony nivaky fa misy ny « mafia ». Tsy arakaraka ny herinaratra nifanarahana ny famatsiana, kanefa ny vola aloha vola feno toy ny hoe : 45MW ohatra ny fifanarahana, kanefa 25MW ihany ny vokatra, kanefa vidiana amin’ny vidiny 45MW. Ankehitriny, voalaza fa mikasa hametraka petra-bola ao ireo orinasa manana trosa amin’ny Jirama, hanamaivana ny fahasahiranan’ny Jirama, fa mizotra makany amin’ny fanafoanana ny tohana ara-bola avy amin’ny Fanjakana. Amin’ny lafiny iray anefa, midika ho fanamafisana ny fiankinan-doha amin’ny vahiny, na endrika fivarotana an-kolaka ny Jirama amin’ireo mpamatsy sy mpivarotra herinaratra aminy izay ny vahiny no tena mifehy an’io. Ireo tetikasa lehibe toa an’i Sahofika sy Volobe efa ny vahiny ianteherana aminy, saingy mbola hamafisina any amin’ny Jirama izay efa sarintsarina orinasam-panjakana sisa ankehitriny ? Tena izay ve sisa no vahaolana heverina tokony hatao ? Sehatra stratejika ny angovo ary mariky ny fiandrianam-pirenena saingy miha tsizarizary andro aman’alina, ary ny balarora hanao an’izatsy sy izaroa no betsaka. Tena tsy misy vahaolana sa ny mpitondra mihitsy no tsy mahay afatsy fampanantenana poakaty sy famokarana makety ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.