TOMBOLA NOKARAKARAIN'NY COSMOS

20 tapitrisa Ar no loka natolotra ho an’ireo tsara vintana


  • Alatsinainy 29 Jolay 2024

Mitentina 20 tapitrisa Ar no lela-vola natokan’ny Cosmos ho an’ireo mpanjifa tsara

vintana nandray anjara tamin'ilay tombola lehibe nokarakarain’izy ireo ny datin’ny 12 Jona ka hatramin'ny 07 Jolay lasa teo. Mpanjifa nividy entana tao amin'ny Cosmos àvy any Mahajanga no nahazo ny loka voalohany. Mahatratra 17 amin’izao fotoana izao ny mangazay sy ny ivon-toeran’ny Cosmos, izay nandray anjara tamin’izany, ka i Antananarivo no ahitana tranom-barotra betsaka indrindra satria mahatratra 7, ary 2 ny ao Mahajanga. Notanterahina afak'omaly Sabotsy 27 Jolay ny fizarana ny lokan’ireo telo nitsiakian’ny ho an’ny teto Antananarivo, taorian'ny ankitsapaka izay natao. Avy eto Antananarivo kosa ireo roa ambiny ho an’ny telo voalohany, dia Atoa Rolland Guy nahazo ny «bon d’achat » na taratasim-bola mitentina 3 tapitrisa Ar ahafahana manjifa entana ao ao amin’ny Cosmos. Mitentina 2 tapitrisa Ar kosa ny « bon d’achat » hahafahana mividy entana azon-dRajaoferson Kanto mpanjifa fahatelo nahazo ny loka ambony indrindra. Boulloird mitentina 60.000 Ar no novidiany tao amin'ity magazay ity. Mbola tsy fantany kosa izay entana hovidiana amin’ilay taratasim-bola azony. Nambaran-dRalimina Felana tompon'andraikitry ny serasera eo anivon'ny cosmos moa fa azon'ireo npanjifa ireo hatao koa ny mividy entana any amin'ny Sport 2000 izay mpiara-miasa amin'izy ireo amin'ny alalan'ireo taratasim-bola ireo. Mivarotra karazan’entana maro toy kilalao, ny finday ary kojakojan-dakozia koa ny Cosmos.
Toky R sy Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT