Tolotra internet eto Madagasikara

Viraviraina tanteraka ny mpanjifa…


  • Talata 14 Mey 2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

tambajotra, izay mihisatra dia mihisatra tokoa. Nimenomenona ny ankamaroan’ny mpanjifa indrindra fa ireo ao anatin’ny seha-pihariana mila izany. Omaly atoandro vao nilatsaka ny seraseran’ireo « operateurs » fa fahatapahan’ny fantsona tariby fifandraisan-davitra any ambany ranomasina na « câbles sous-marins » manerana ny faritra Afrika Atsinanana no nahatonga izany. Fahatapahan’ny làlam-pifandraisana iraisam-pirenena any Afrika Atsimo, hoy ny tambajotra iray. Vokany, mikorontana, tapatapaka sy mihena ny hafainganan’ny fifandraisana amin’ny internet amin’ny Firenena maro ka tafiditra ao anatin’io i Madagasikara. Isan’ny tena mampitaraina ny mpanjifa ny tolotra internet amin’izao fotoana izao satria mihalafo kanefa toa miharatsy ihany koa ny tolotra. Nohamafisina sy nolaniana tao anatin’ny filankevitry ny governemanta ny 8 mey ny fanafoanana ilay « prix plancher » na fameram-bidy 0,95 dolara ny 1gigaoctet izay tokony hampiverina amin’ny laoniny ny saran’ny internet izay nidangana tampoka ka mby aiza ny fampiharana? Aiza ny fandraisan’andraikitry ny Fanjakana izay fositra niteraka an’iny sa mijanona amin’ny fanambarana am-bava sy an-taratasy tsy misy mpanaraka? Viraviraina tanteraka amin’izay tiana hanaovana azy ny mpanjifa ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT