Tolotra internet avy amin’ny Starlink

226 000Ar isam-bolana ho an’ny tokantrano


  • Alakamisy 27 Jona 2024

Navoakan’ny vaovao an’habaka iray omaly, fa 386 300Ar eo ny saran’ny tambajotra

internet isan-tokantrano ho an’ilay orinasa Amerikanina Starlink, ary mbola tsy tafiditra tao anatin’io ny vidin’ny fitaovana. Ora vitsivitsy taorian'ny nipariahan’io izay niteraka adihevitra samihafa tamin’ny tambajotra facebook, dia nanitsy io sarany io starlink. Nidina ho 226 000 Ar ilay tolotra isan-tokantrano. 82 dolara lasa 50 dolara, raha amin’ny vola vahiny. Izany dia tsy lavitra ny sarany ampiasain'ny ekipan'i Elon Musk any amin'ireo firenena manodidina an'i Madagasikara toa an'i Kenya na Mozambika, hoy ny fampahalalam-baovao iray. Raha toa ka nampidinina ny tolotra an-trano, ny tolotra fototra ho an'ny mandeha lavitra na ny sarany amin'ny finday ho an'ireo olona mandehandeha matetika kosa dia nasondrotra. 316 000Ar sarany tany am-boalohany ary lasa 451 200 Ar. Ny tolotra farany ho an'ny orinasa sy ny mpampiasa fitaovana betsaka kosa tsy niova fa 316 800 Ar miaraka amin'ny vidin'ny fitaovana mitentina 1 580 000 Ar. Ho an'ity tolotra ity, ny mpandraharaha dia manolotra tolotra tsy voafetra na « illimitée », fa kosa 40Go ny tena laharam-pahamehana na « données prioritaires », laharam-pahamehana amin'ny tambajotra ary adiresy IP ho an'ny daholobe. Miakatra ny vidiny arakaraka ny filàn’ny mpanjifa dia ny orinasa na ireo mpampiasa internet betsaka. Dia andrasana indray izany ny tena fiodin’ity Starlink ity, izay tsikaritra ho henjakenjana ihany ny sarany. Isan’ny tena mbola lafo ny saran’ny internet eto Madagasikara, indrindra fa taorian’ilay fampiakarana ny sarany noho ilay famerana ho 0,95Dolara ny 1Go, izay efa nivenan-dàlana ny Fanjakana, saingy tsy namerina izany amin’ny vidiny teo aloha ireo orinasan-tserasera. Tsy nisy lanjany sy tsy nisy dikany fa fanadalana saim-bahoaka hatreto ilay fampitandremana sy ny filazan’ny mpitondra fa handraisana fepetra ireo orinasan-tserasera tsy miverina manitsy ny saran’ny internet.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT