Tolotra amin’ny fifandraisan-davitra

Efa tena lasa halatra bevava amin’ny fomba mihaja


  • Zoma 28 Jona 2024

Efa tena lasa halatra bevava amin’ny fomba mihaja ankehitriny ity tolotra amin’ny fifandraisan-davitra ity.

Tsy misy izay orinasam-pifandraisana tsy naharenesana fitarainan’ireo mpanjifa. Ireo mpampiasa tambazotran-tserasera sy aterineto moa no tena mikolay. Tolotra mitentina 1000 Ariary kanefa dia tsy misy azo natao tamin’ny hafa tsy nandefa sary anankiray, hoy ny mpanjifa iray. Tolotra efa manafosafo ny 20.000 Ariary kanefa anatin’ny 1 andro dia efa ny antsasany mahery no lany, ho anay mampiasa solosaina, hoy kosa ny mpanjifa hafa manao irony asa ampitain-davitra na «télétravail» irony. Manao izay danin’ny kibony sy hita ho gaboraraka tanteraka, indrindra, tato ho ato ireo tambazotram-pifandraisan-davitra miisa 3 eto Madagasikara, raha ny fitarainan’ireo mpanjifa hatrany. Tsiahivina hatrany fa nilaza ny handray fepetra ho an’ireo orinasam-pifandraisana mbola tsy mamerina amin’ny tena araka ny tokony ho izy ny tolotra omeny moa ny fitondram-panjakana saingy mbola handrasana hatrany anefa i Ambatobevohoka hatramin’izao. Ilay vaomiera natao hisahana ny fanadihadiana momba izany teny anivon’ny antenimieram-pirenena moa very an-javona tanteraka. Tapitra ihany ity ny fotoam-piasan’ireo solombavambahoaka. Asa izay ho tohiny ao anatin’izao fe-potoana vaovao hiditra tsy ho ela izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT