Tonga nanotrona ireo mpiasan’ny fananantany teny Anosy omaly ireo mpikambana ao amin’ny «Alliance des Fédérations des Organisations Syndicales».
Fitakiana sendikaly no mitranga ao amin’ity sampandraharaham-panjakana ity ka rariny sy hitsiny raha mifanome tanàna amin’ireto mpiasam-bahoaka tratran’ny ramatahora sy antsojay ireto ny fivondronan’ny federasion’ireo fikambanana sendikaly misy, araka ny lahateny nifandimbiasan’ireo mpandray fitenenana. Tsy mijanona ny tolona raha tsy tonga amin’ny tanjona tratrarina dia ny fametrahana amin’ny toerany ny sendika sy ny sendikalista eto Madagasikara. Miara-miaiky rahateo ireo mpiara-mitolona ao amin’ny AFO Sendikaly fa ny tombontsoam-pirenena mihitsy no voakitikitika amin’ity resaka fananantany ity ka ilaina ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana. Hoy indrindra izy ireo :
Rabarilala Rado, mpitarika sendikaly eo anivon’ny Air Madagascar : «Tsy mijanona fotsiny ho tombontsoan’ny mpiasan’ny fananantany ny fitakiana hataon’izy ireo fa mipaka hatrany amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy».
Andriankinana Tsialofana, sekretera jeneralin’ny mpitsabo mpanampy eto Madagasikara : «Resy lahatra ireo fikambanana sendikaly eto Madagasikara taorian’iny vokatra tsara azon’ny mpiasan’ny Air Madagascar iny fa tena ilaina ny fifanohanana eo amin’ny samy mpiasa Malagasy.
Dokotera Rakotoniasy Jean Raymond, mpandrindra ny AFO Sendikaly : «Miaro ny tombontsoam-pirenena ny mpiasa eto anivon’ny sampandraharahan’ny fananantany. Ny antony dia satria fitakiana ho an’ny vahoaka Malagasy mba hanana anjara tany izy ireo izay mifanandrify tanteraka amin’ny antom- pisian’ny AFO Sendikaly dia ny fiarovana ny fananam-pirenena miaraka amin’ny fitantanana mahomby ny firenena. Tsy handroso mantsy ny firenena raha tsy milamina aloha ny fiainan’ny mpiasa eto Madagasikara».
Razafindratsimba Vonjy, filohan’ny sendikan’ny fananantany: «Mifanohana tsy misy fepetra 100% amin’ny mpiasan’ny fananantany ankehitriny ny AFO Sendikaly satria ny hoavin’ny vahoaka Malagasy iray manontolo mihitsy no voatohintohina amin’ity resaka fananantany ity. Mitohy ny tolona mandra-pahazo valin-teny mahafa-po avy amin’ny mpitondra fanjakana. Mijoro amin’ny fitiavan-tanindrazana izahay na dia hiroso amin’ny fanapahana karama aza ny minisitra mpiahy araka ny nambarany».
Tsy hihemotra amin’ny fitakiany ireo sendika ary raha mbola mihizingizina amin’ny heviny sy manao valiteny boraingina mahazatra azy ireo manampahefana dia ahiana hitatra ny resaka ka ho avy ny fitokonana faobe, izay tena hanaratsy endrika ny fitondram-panjakana ary mety hampirodana azy mihitsy aza.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.