Tolona sendikaly

Mafana fiatombohana


  • Alatsinainy 12 Febroary 2024

Mafana fiatombohana ny tolona sendikaly, hoy ny Randrana sendikaly.

Herinandro izao no lasa amin’ny fitokona ara-dalàna ataon'ny mpiasa ao amin’ny orinasa Btextil mitaky sakafo atoandro, hoy ny fampahafantarana nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro. Nidina teny amin’ny orinasa ny alakamisy teo ramatoa minisitra niresaka tamin’ny mpampiasa sy ny tomponandraikitra ary ireo mpiasa vitsivitsy voatambitamby ka mbola miasa. Tonga teny amin’ny orinasa koa ny talem-paritrin'ny asa eto Analamanga ny zoma teo nihaona tamin’ireo mpiasa manao fitokonana. Mazava ny voalazan'ny minisitra fa efa vita ny dingana ara-dalàna tamin’ny fanelanelanana fa eny amin’ny tribonaly no tohiny. Mahitsy izany fa tsy misy vokatra vahaolana ny fidinan'ny tomponandraikim-panjakana teny amin’ny orinasa manoloana ny olana sosialy izay fitakiana vary atoandro. Nidina teny amin’ny orinasa koa ny SG SVS Randrana sendikaly ny alakamisy maraina alohan'ny nahatongavan'ny minisitra mba saika hiresaka amin’ny mpiasa hanolotra vahaolana fa saingy tsy navelan'ny vazaha tompon'ny orinasa hiditra ny vavahady ka dia tsy afaka niresaka mivantana tamin’ny mpiasa mitokona tao amin’ny orinasa. Na izany aza dia mazava ny toromarika fa rehefa miziriziry ny tompon'ny orinasa ka tsy nahita vahaolana sosialy ny minisitra dia mitohy ary hamafisina ny fitokonana mandra-pahatongan’ny «arbitrage» eny amin’ny fitsarana, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT