TOLO-TANANA HO AN’IREO ZAZA VARIRA

200.000 Ar monja no lela-vola voaangon’ny tompon’andraikitra


  • Talata 24 Desambra 2024

Notanterahina ny 20 sy ny 21 Desambra lasa teo teny amin’ny zaridainan’Antaninarenina ilay

tolo-tanana ho an’ireo ankizy manana toe-tena varira beazina sy tazonina ao amin’ny toby SEFAMA ao Farafangana miaraka amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy. Ny mba hahafahana mitazona ireo ankizy varira manodidina ny 370 isa ao amin’ity ivon-toerana misy azy ireo ity no tanjona ho fiarovana ny ainy izay avy any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, Anosy ary Atsinanana. Mahatratra 2 gony isan-kerinandro anefa ny vary hohanin’izy ireo raha kely ankoatra ny laoka sy ny ody ambavafo omena azy. Tsy maintsy nitady vahaolana ny fikambanana Albinos Madagascar tarihin’ny filohany Ramiandrisoa Soja Fulgence manoloana izany, antony nikarakara iny tolo-tanana iny. Saika nandrasana nandritra ireo 2 andro ireo avokoa ny fotsim-bary sy ny menaka ary ny savony sy ny fitafiana. Toraka izany koa ny lela-vola izay fantatra fa tsy nisy afa-tsy 200.000 Ar. Na izany aza dia nankasitraka feno ireo tonga nanome tamim-pitiavana ny filohan’ny fikambanana. Ny azo ambara dia tena tototry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny Malagasy. Na dia eo aza ilay finiavana te-hanampy dia ilay ho enti-manana mihitsy no tsy misy. Ny andro rahateo fety ka samy mikajikajy ny any am-paosiny avokoa ny rehetra ankoatra ny fiatrehana ny volana Janoary taona 2025.
Pati
Legende : Tena sahirana tsy afaka manampy ny mpiara-belona aminy toy ny varira intsony ny vahoaka Malagasy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT