Actualités

Tolo-dalàna mikasika ny “Compétitivité nationale” Hatolotry ny depiote Mahazoasy Freddie tsy ho ela


  • Alakamisy 09 Novambra 2017

Hanolotra tolo-dalàna iray hodinihana mandritra ity fotoam-pivoriana faharoan’ny Antenimieram-pirenena ity amin’izao faran’ny herinandro izao na amin’ny fiandohan’io herinandro ho avy io ny filoha lefitry ny Antenimiram-pirenena Faritany Antsiranana, ny depiote Mahazoasy Freddie.

Nambarany fa “loi sur la compétitivité nationale” no hifotoran’izany tolo-dalàna izany mba hahafahantsika mifaninana tsara ara-toekarena amin’ny firenena any ivelany. Horaketina ao ny fametrahana ireo lalàna hitera-bokatsoa ho an’i Madagasikara amin’ny fifandraisana amin’ny firenen-kafa. Eo koa ny lalàna mikasika ny 3 P amin’ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa makadiry eto amintsika. Eo koa ny resaka fanatsarana ny lalàna mikasika ny fanajariana ny tany na ilay atao amin’ny fiteny vahiny hoe : “orientation stratégique d’amenagement du territoire” miaraka amin’ny lalàna mamaritra ny faritra ekolojika eto amintsika. Hodinihana manokana ao anatin’ity tolo-dalàna ity ihany koa ny fanamorana ny fikarohana ara-tsiansa hiarahana manatontosa amin’ny tsy miankina ary tafiditra ao ny tokony hametrahana ny deductivité fiscal ary ny “politique de l’innovation de transfert” ao anatin’ity tolo-dalàna ity (transfert de technologies sy innovation technologique).

Mila vola daholo izany resaka voalaza teo izany, hoy ny depiote Mahazoasy Freddie, nefa tsy hianteherana amin’ny hafa ka tokony hapetraka tsara ny paikady stratejika amin’ireo harena voajanahary hananantsika Malagasy ka hifanarahana amin’ireo izay te-hitrandraka ny harentsika ny fanomezana ny 34 % amin’izay vokatra miakatra ho an’ny Malagasy.  Halamina tsara ihany koa ny “marché financière” eto  amintsika mba hampisondro-bidy ny ariary. Mila mampitombo ny hambompom-pirenena ny Malagasy ao anatin’izany  fifaninana ara-barotra izany. Marihana fa ny nosy Maorisy no mitana ny laharana voalohany, araka ny fikilasiana ara-toerkarena eran-tany  aty Afrika arahin’i Afrika Atsimo sy Rwanda ary Botswana.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

Hijery ny tohiny
FTT