Tolo-dalàna miaro varira

Nolanian’ny Antenimierampirenena omaly


  • Alakamisy 12 Jona 2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

taorian’ny fanitsiana natao hampifanaraka izany amin’ny Lalàmpanorenana, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Nambaran’ny solombavambahoaka fa zava-misy tsy azo lavina intsony ny fampijaliana sy herisetra mahazo ireo olona manana fahasamihafana ara-batana, indrindra fa ny varira, izay lasibatra amin’ny vono olona, herisetra ary hatramin’ny varotra olona. Izany indrindra no antony nananganana izao tolo-dalàna izao, hoy izy. Ankoatra izay dia notanterahina teny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ihany koa ny atrikasa manokana nifampizaràna tolo-kevitra hanavaozana sy hanatsarana ny lalàna mifehy ny herisetra ara-nofo sy ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy. Noresahina tao ny fampihenana ny tahan’ny herisetra ara-nofo, ny fandraisana an-tanana ireo niharam-boina ary ny fanamafisana ny sazy ho an’ny mpanao herisetra, raha ny fampitam-baovao voaray omaly hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT