Anisan’ny ahitana ny tsy fanaraha-dalàna amin’ny famoaham-bolam-panjakana ny resaka tolo-baro-panjakana, nefa mazava ny lalana mikasika ny pitsopitsony tsy arahina mikasika ny fanaovana azy sy ny tsy
tsy maintsy hanaovana azy raha hamoaka vola ny fanjakana sy sampana ny amin’ny faritra ary ireo orinasa ananan’ny fanjakana petra-bola. Tafiditra amin’ny tamberin’andraikitra ny vahoaka sy fampangaraharahana momba ny fitantanam-bolam-bahoaka, dia nofanina hifehy ny momba ny tolo-baro-panjakana ity ireo mpanao gazety avy any Antsirabe, Antananarivo, Moramanga, Ambatondrazaka ary Toamasina ka ho mpampahafantatra ny tsy mety sy ho mpanentana ny vahoaka hahalala ny volany ampiasain’ny fanjakana no tanjona tamin’ny fanofanana, izay niarahana tamin’ny ARMP na nadika tamin’ny teny Malagasy ho “Aro Riaka Mampanara-Penitra”. Roa andro ny fanofanana izay natao tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “Joffre” Ampasimazava, ary natrehan’ny tale jeneralin’ny ARMP sy ireo mpampiofana eo anivon’izy ireo. Ankoatra ny fanofanana dia nisy ihany ny fifampizarana ny traikefa sy ireo zava-misy isam-paritra misy ireo mpanao gazety, izay nahatsapa fa betsaka loatra ny tsy fanajana ny lalàna mikasika ity tolo-baro-panjakana ity amin’ny fanajana ny lalana mifehy azy amin’ny ankapobeny. Nohatevenina ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpanao gazety sy ny “Aro Riaka Mampanara-Penitra”, mba tena ao anatin’ny lalàna ny fandaniam-bolam-bahoaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.