Zazavavy 16 taona no tsy hita nanjavonana niaraka tamina tovolahy 20 taona tao amin’ny Fokontany Tsimenatse, nanomboka ny talata heriny teo
Ny zoma teo izy vao nipoitra rehefa nokarohina, ary nitantara ny zava-nihatra taminy. Hatramin’izao ora anoratanay izao, raha ny loharanom-baovao, dia mbola karohina ity tovolahy ity, izay tsy hita popoka ny nanjavonany. Raha ny fanazavana azo dia nomena ranom-boankazo nisy mahadomelina ity ankizivavy ity, ka teo ilay tovolahy no nanararaotra ny filan-dratsiny, rehefa nalemilemy tsy nahatsiaro saina ity farany. Tato ho ato ary maso mahita ao Toliara ao, dia mirongatra ny fanodinkodinana sy fanolanana ankizy tsy ampy taona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.