Actualités

TOLIARA Voaolana hatramin’ny adala mpirenireny sy ny sembana


  • Alakamisy 07 Aogositra 2014

Hatramin’ny olona adala mpirenireny sy sembana ara-tsaina dia misy manolana ao Toliara ao. Betsaka no mitondra vohoka tsy fidiny sy manao tera-bitro vokatr’izany

. Matetika tsy raharahain’ny olona loatra ny zava-mitranga ka hanairana ny tompon’andraikitra ary mila faizin’ny lalàna manan-kery. Fa afak’omaly hariva amin’ny lalana mihazo ny seranan-tsambon’i Toliara iny, teo Mahavatse, dia tovovavy sembana ara-batana iray 22 taona tara fodiana handeha hody no saika naolana roalahy efa mamomamo. Tsy nisy asa loha ireto bandy roa ireto tonga dia nibeda ity tovovavy kilemaina ity rehefa teny amin’ny toerana mangigina, raha ny fanazavany niharam-boina. Niantso vonjy ity farany ka nitsoaka ireo mpanao filan-dratsy. Raha ny nambaran’ity  tovovavy ity hatrany dia efa in-droa amin’izao izy no saika nisy nanolana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT