Araka ny tatitry ny Bianco na ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly Toliara, ny herinandro teo, manodidina ny asa vitan’izy ireo ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity, dia olona efatra tamin’ireo 24 voarohirohy noho ny kolikoly tamina raharaha folo natolotra ny fitsarana no nampidirina am-ponja, nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny 20 ambiny
Araka ny antontanisan’ny Bianco Toliara, dia ny 88 tamin’ireo fitarainana 149 voaray no voasokajy ho misy kolikoly, ka ny 58 amin’ireo no azo anaovana fanadihadiana, raha ny 36 no efa vita hatramin’izao. Anisan’ny olana mampitarazoka ny fanatanterahana ny asan’ny Bianco Toliara ihany koa ny tsy fandriampahalemana misy manerana ny faritra iasan’ny sampana. Toraka izany ihany koa ny momba ireo mpiasam-panjakana sasany (ny mpitsara, polisy, zandary…) voarohirohy na voasaringotra amin’ny kolikoly, satria tsy maintsy hangatahana alalana vao azo anaovana famotorana. Mitarazoka noho izany ny fanadihadiana tsy maintsy atao azy ireo aorian’ny fitarainana azo, hoy hatrany ny Bianco Toliara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.