Actualités

Toliara Ramatoabe iray toran’ny tsipoapoaka


  • Alatsinainy 16 Jona 2014

Re mirefodrefotra etsy sy eroa ny tsipoapoaka lalaovin’ny ankizy amin’izao.

Ny harivan’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany, tao amin’ny Fokontany Andaboly Toliara, dia ramatoabe iray 72 taona no torana taitra tampoka vokatry ny fipoahana tsipoapoaka nirefotra mafy nolalaovin’ ankizy, ka mbola marefo ny fahasalamany amin’izao raha ny vaovao voaray azo farany tamin’ny fianakaviany omaly. Raha ny eto amintsika dia voarara ny fivarotana sy fanapoahana tsipoapoaka. Saika isan-taona heno hatrany ny fifampitandremana avy amin’ny tompon’andraikitra, kanefa toa tsy misy akory ny fandraisana andraikitra matotra mifanandrify amin’izany fandrarana izany, ka dia samy manao izay saim-pantany ny rehetra.

Nisy fotoana tany Atsimo. Itony tsipoapoaka itony no nentin’ny dahalo nampitahorana ny iray tanàna. Tsy nisy sahy nivoaka ny trano ary noraisin’ny malaso mora foana ny omby an-jatony tao am-bala.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT