Actualités

TOLIARA Mirona amin’ny fivarotan-tena ny ankizy tsy ampy taona


  • Zoma 22 Aogositra 2014

Vahinintsika anio ny « Commissaire divisionnaire de Police » Zafimandimby, talem-paritany misahana ny filaminam-bahoaka ao anatin’ny faritanin’i Toliara, efa ho roa volana izay hitondra ny heviny manoloana ny trangam-piarahamonina toa mahazo vahana amin’izao ao Toliara dia ny fivarotan-tenan’ny ankizy tsy ampy taona. 58 taona ny lehilahy ary manambady manan-janaka mirahalahy, ka 15 taona ny farany. Olon’Andriamanitra sy krisitianina vontom-pinoana ao amin’ny fiangonana FLM ity manamboninahitra jeneraly kintana roa ao amin’ny polisim-pirenena ity, sady manampahaizana momba ny jeografia no efa nampianatra polisy tany Congo tamin’ny iraka nampanaovin’ny Firenena mikambana. Fialamboly tena tiany ny mihaino radio RFI, ary vary amin’anana no ankafiziny, raha ny mihazakazaka no fitaizam-batana eo amin’ny fanatanjahantena.

 Fahantrana sy rendrarendra

 

Na miezaka aza ny mpitandro ny filaminana misambotra ireo tsy ampy taona mivarotena ka manolotra azy ireny ny fitsarana, dia mirongatra ny koaitra na kala lijaka na mpivarotena ao Toliara, satria misy ray aman-dreny sasany mampirisika ny zanany hanao ity asa mamohehatra ity atao fitadiavam-bola hivelomana. Eo ihany koa ny fomban-tany amin’ny fampanambadiana mialoha ny ankizy tsy vonona mbola ho reny tokony mbola hianatra noho ny fitiavan-karena. Manoloana ireo zava-boalaza ireo, dia nitondra ny heviny nitafa taminay ity raim-pianakaviana sady mpanabe no mpitandro filaminana ity, fa vokatry ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso sy ny goragora eo amin’ny lafiny fitaizana sy fifanabeazana miainga ao an-tokantrano no mampirona ny ankizy amin’ny asa fampanofan-tena. Ny fahantrana sy rendrarendra ihany koa anisany.

 

Mila to teny sy tompon’andraikitra ny ray aman-dreny

 

Maso mahita ary raha ny zava-misy amin’ny ankapobeny amin’izao ao Toliara ao dia ny ray aman-dreny indray no toa matahotra ny zanany. « Zon’ny ankizy ny manaja ray aman-dreny ary soatoavina malagasy izany », hoy ny « Commissaire divisionnaire de Police » Zafimandimby. Vahaolana narosony ny fanamafisana ny fitaizana ary ray aman-dreny tompon’andraikitra sy to teny no ilain’ny fiarahamonina amin’izao. « Avelao hianatra ny ankizy mba hahazo fahalalana ampy azy fa ny tokantrano tratra foana », hoy ity manamboninahitra Jeneraly ity namarana ny fanazavany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT