TOLIARA

Masikoro 1000 lahy tsy mila ny "Base Toliara"


  • Talata 18 Febroary 2025

Mafampana ny fanoherana ny tetikasa Base Toliara ataon’ireo fokonolona manohitra izany any Toliaaa,

raha toa ka efa namoaka fahazoan-dàlana hisokafan’io tetikasa fitratrandrahana fasimainty io ny Fanjakana. Fiara tsy mataho-dalana miisa 9 avy ao amin'ny orisana Base Toliara no nosakanan’ny olona omaly maraina, raha saika hanao fitsidihana tany an-toerana. Nizara vary tany anaty fokontany izy ireo ka niditra antsokosoko no tsikaritry ny fokonolona, hoy ny tatitry ny fahitalavitra tsy miankina iray any an-toerana. Efa nivory ny sabotsy teo, efa nampitandrina ireo vahoaka mba tsy handehanan’ireo avy amin’ny Base Toliara fa tsy mivoaka velona, kanefa gaga izahay mahita ireo olon’ny Base Toliara sy ny mpitandro ny filaminana, hoy ireo mpitokona izay efa niaraka tamin’ny zava-maranitra na hazo ny ankamaroany. « Izahay tsy mila Base Toliara hijoro amin’ny tanànanay Andaboy, ka na tianareo na tsy tianareo tsy maintsy ho faty izahay. Izahay zana-driaka, izahay Masikoro 1000 lahy tsy mila ny Base Toliara, eto ny fameloman-tenananay, izahay tsy mila asa avy amin’ny Base Toliara, izahay tsy mila asa amin’ny Fanjakana,… », hoy ireo mpanao fihetsiketsehana. Misy fampihorohoroana fa hisy hosamborina, ka raha misy iray na roa voasambotra eo, dia potika i Toliara iray manontolo, hoy ny mpitarika izay nilaza fa misy mpikarama an’ady miseho tele ka tokony hidina any raha lehilahy, fa tsy any ny famoahana hevitra. Nisy ny fifampiresahana ka navela hiala ihany ireo fiara saingy nolazaina fa fampitandremana farany ny omaly, ka raha mbola minia miditra ireo avy amin’ny Base Toliara ireo dia tsy tompon'andraikitra ny zanan-driaka. Isan’ny nanamafy ny fanoherana an’io moa ny depiote voafidy tao Toliara I sady Filoha lefitra faha-7 ao amin’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko izay nivoy fa tsy manara-dalàna io, hamono olona sy hanimba tontolo iainana, mikitika tanim-bahoaka hatramin’ny fasana, mandoto rano,… Andaniny, mitentina 5 milliara dolara ny vola ho azo avy amin'ny fitrandrahana ataon'ny orinasa base Toliara mandritra ny fepotoam-piasany. 80 tapitrisa dolara kosa ny vola hatokan'izy ireo hanaovana tetikasa goavana amin'ny faritra sy ny firenena, hoy ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany Rakotomalala Olivier tany amin’ny novambra 2024. Henjakenjana ny raharaha Base Toliara izay heverina ihany koa fa tsy miankina amin’ny eto an-toerana ihany fa tafiditry ny mety ho fisiana dian-tànana ara-jeopolitika sy fifanarahana goavana eo amin’ny Fanjakana sy ny tsy miankina ny fisokafany indray. Andrasana ny tohiny !
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT