Actualités

TOLIARA Lalaovin’ny vazaha ireo zaza tsy ampy taona


  • Alarobia 09 Aogositra 2023

Tena manjaka amin’ny filalaovana ireo zazavavy kely tsy ampy taona ny tera-tany vahiny ao Toliara ao.

Tera-tany vahiny iray no voalaza fa tratra niaraka tamina tovovavy kely miisa 5 , 8 ka hatramin’ny 13 taona tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray tany an-toerana ny herinandro lasa teo. Taorian’ny loharanom-baovao avy amin'ny olona vitsivitsy dia niroso tamin’ny fisamborana ilay vazaha ny polisy ka zazavavy kely tsy ampy taona roa no niaraka taminy tamin’izany. Mialohan’ ny nahatongavan’ny polisy anefa hoy ny vaovao dia mbola nivoaka nitady ankizivavy tsy ampy taona hafa teny an-dalana ilay vazaha sy ilay mpiray tsikombakomba taminy. Tratran’ny polisy niaraka tamin’ireo ankizy vavy tsy ampy taona 5 ireo avy eo ity vahiny ity. Notazomina nandritra ny 48 ora izy rehefa avy natao fanadihadiana, saingy nahazo fahafahana vonjimaika rehefa niakatra fampanoavana tamin’ny sabotsy teo. Ankoatra ity farany dia tera-tany vahiny iray hafa tokony ho 70 taona koa no tratra niaraka tamin'ny ankizy vavy 14 taona tao anatin'ny hotely iray. Nahazo fahafahana vonjimaika ity vazaha ity, mandra-piandry ny fitsarana azy amin’ny 24 Aogositra ho avy izao. Nidina ho 8 taona indray ny salan-taonan’ireo zazavavy kely mivaro-tena ao Toliara noho izany, izay efa tena tsy rariny intsony ka tokony handraisana fepetra.
Nangonin’i Pati
Legende : Malaza ratsy amin’ny fivarotan-tenan’ny ankizivavy ny eto Toliara amin’izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT