Mbola tsy misy manangan-tsaina hatreto ny ankamaroan’ireo tokantrano ao Toliara I na dia 11 andro eo ho eo aza sisa dia hankalaza ny tsingerin-taona faha-60 niverenan’ny fahaleovantena isika.
Nandray fepetra araka izany ny kaominina tahirin’ny Ben’ny tanana ka fantatra fa hisy ny fidinana ifotony arahina fanentanana manomboka amin’ity herinandro vaovao ity. Hampahafantarin’izy ireo ny mponina mandritra izany fa mariky ny fiandrianam-pirenena sy ny hambopom-pirenena ny fananganan-tsaina fa tsy fombafomba akory ka afaka manao izay te-hanao. Hisy moa ny fepetra horaisina ho an’ireo izay minia tsy manaraka izany raha araka ny fantatra hatrany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.