Nizotra ara-dalŕna tsy nisy tomika ny andro voalohany tamin’ny fanadinam-panjakana faharoa BEPC tany amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’i Toliara I. Mpiadina miisa 2 881 no niatrika izany omaly miparitaka amina foibem-panadinana enina, ka 53 taona no zokiny indrindra, raha 12 taona ny zandriny
Ho an’ny DREN Atsimo Andrefana, misy Cisco sivy, dia 11 530 ny mpiadina manala BEPC miparitaka amina foibem-panadinana 50. Raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra tamin’ny angom-baovao omaly dia hiroso amin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana avy hatrany aorian’ny famaranana ny fanadinana. Raha teo amin’ny vokatry ny CEPE indray no asian-teny dia 65,86 % ny taham-pahafahana amin’ity taom-pianarana ity ho an’ny Cisco Toliara I, satria mpiadina miisa 2 245 tamin’ireo 3 245 tonga niatrika ny fanadinana no afaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.