Actualités

TOLIARA - « FESTIVAL ANTSAIRY LOHARIAKE » Nanomboka omaly ary haharitra 5 andro, asongadina ny gadona tsapiky sy ny tantarany


  • Zoma 01 Aogositra 2014

Nosantarina omaly tany Toliara tamin’ny alalan’ny atrikasa sy valandresaka narahina ady hevitra momba ny mozika nentin-drazana sy ny gadona tsapiky (tantara sy ny fivoarany) mampalaza ny faritra Atsimo Andrefana, ny zon’ny mpamorona sy ny ady amin’ny hosoka.

Tao amin’ny « Hôtel Le Palétuvier » amoron-driaka, ny fanombohana ny hetsika ara- kolontsaina anisan’ny mampiavaka ny tanànan’ny masoandro, dia ny « Festival Antsairy lohariake » andiany fahatelo. Raha ny fanazavan’i Daudet Delly Rarivoson, mpanakanto sady mpikarakara ny hetsika, dia ny zoma izao vao hisokatra amin’ny fomba ofisialy ao amin’ny « Jardin de la mer » amoron-driaka ity festivaly ity hatrehina manampahefana sy mpanakanto maro fanta-daza.

 

Faha-30 taonan’ny OMDA, hankalazaina any Toliara

 

 Ny ampitson’io (sabotsy), fitsidihana ny « site » Fihamy any Miary. Avy eo miroso amin’ny fampisehoana samihafa entina manamarika ny faha-30 taonan’ny OMDA. Anisan’ny tanjona amin’ny « Festival Antsairy lohariake » ny hanome lanja ny zavakanto sy kolontsaina nentim-paharazana avy any atsimon’ny Nosy ary famohazana ireo talenta miafina sy ny zavamaneno fahiny avy any atsimo mitady ho very, ary ny alahady 3 aogositra izao no hifarana tanteraka ny hetsika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT