Actualités

Toliara Efa niteraka ny 40%-n’ireo tovovavy tsy ampy taona


  • Alarobia 24 Jona 2015

Mampihoron-koditra ! Raha ny tarehimarika ofisialy navoakan’ny OMD tamin’ity taona ity, taorian’ny fanadihadiana natao ny taona 2013, dia 40% mahery amin’ireo tsy ampy taona any amin’ny faritra Atsimo Andrefana no efa manan-janaka na bevohoka avokoa

 

 

. Noho ny fomban-tany mbola mahazo laka amin’ny fampanambadiana mialoha loatra ny ajampela. Eo ihany koa ny fitiavam-bola diso tafahoatra vokatry ny fahantrana sy rendrarendra (lasa kely veta ny ankizy) mampirongatra ny vohoka tsy irina. Ankizivavy 11 taona monina any amin’ny kaominina Tsifota, niteraka kambana. Maty teo am-piterahana ny iray, raha efa handray iray taona amin’izao ny zanany faharoa velona.

Mirongatra ny fanalana zaza

Araka ny fanazavan’ity zazavavy vao 12 taona monja ity amin’izao, tamin’ny fandalovanay tany an-toerana, ny alahady teo, vao 9 taona ny tenany efa nanao firaisana ara-nofo, ary efa in-droa nanala zaza taloha sy taorian’ny niterahany. Raha ny ao amin’ny hopitaliben’i Toliara, tsy latsaky ny 20 isam-bolana ireo tovovavy tsy ampy taona miteraka ao, hoy ny tompon’andraikitra. Vokatr’izany, mitombo ny taham-pahafatesana eo am-piterahana sy ny tahan’ny tovovavy tokony mbola ho any an-tsekoly manala zaza, izay mampihombo ny fahantrana tsy ahafahana mivelatra, satria tsy mbola vory na arifomba ny taova rehetra ao anatiny, amin’ny maha vehivavy azy.


 

Eric R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT