Actualités

TOLIARA Betsaka ny bisikileta sy « cyclo-pousse » mandeha sy miasa amin’ny alina tsy misy jiro


  • Zoma 01 Aogositra 2014

Goragora ve ny fampiharana ny lalŕna velona misy ? Sa manjaka ny hena-maso ka samy manao izay saim-patany ny rehetra tonga amin’ny ilay fiteny hoe : « samy mandeha samy mitady » ? Raha ny zava-misy amin’ny lafiny fifamoivoizana ao Toliara tampon-tanŕna no asian-teny dia mahavalalanina ny mpampiasa lalana sasany. Maso mahita. Ny tsy fanarahan-dalŕna sy tsy fitandremana matetika miteraka loza mandratra na mamono olona ao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana ao tato ho ato.

Tany tan-dalàna ?

 

Sady tsy vitan’ny hoe tsy misy jiro sy hisatra ny ankamaroan’ireo bisikileta mandeha sy posy miasa alina, fa tsy misy takelaka kely mazava alina ihany koa mba hahafantarana azy ireo eny amin’ny arabe kanefa ny andro maizina sady ny lalana mihapotika tsy ampy fikojakojana. Raha eo amin’ny fiara sy moto indray dia ny tsy fahatombanana ara-teknika (frein tsy mihinana) matetika miteraka ny lozam-pifamoivoizana, indrindra raha mifanena tampoka ao anaty fiholanana ireto fitaovam-pitaterana roa ireto.

 

Trottoir misy sahy manangana trano

 

Ny toerana sasany mba natokana ho an’ny mpandeha tongotra aza misy sahy manangana trano. Dia eny afovoan’arabe no mifanosy ny rehetra. Tokony hisy amin’izay ny fepetra hentitra ampiharina amin’ny sehatry ny fifamoivoizana mba hampiverina antsika ho tany tan-dalàna hiadiana amin’ny gaboraraka sy ny kolikoly eny an-dalana mahazo laka amin’izao. Tsy hoe ny olona tsy manan-tsiny hatrany no haratra sy ho matimaty fahatany mamoy ny ainy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT