Midangana ny vidim-piainana, miakatra ny saran-dalana. Tsy manan-tsafidy ny mpandeha sy ny vahoaka amin’izao. Niakatra ho 52 000 ariary (13%) nanomboka ny zoma lasa teo ny saran-dalana zotra naiionaly mampitohy an’i Toliara amin’Antananarivo
araka ny efa voatondro taorian’ny fanambaran’ireo tompona fiara sy mpitatitra ireny, tapa-bolana lasa izay. Fiakarana nifanojo tamin’ny fahavitan’ny fanadinana bakalorea. Raha ny nambaran’ireo filohana kaoperativa sy mpitatitra sasany sendra anay vokatr’ity fiakaran’ny saran-dalana ity dia nihena ny isan’ny mpandeha mihazo ny tapany atsimo iny nanomboka ny sabotsy teo. Ny zoma teo, hoy izy ireo no mba nety ny tsena. Mpitantana kaoperativa iray amin’ny 23 misy ao Toliara no nilaza fa ny fiakaran’ny « frais » 45 000 ariary efa ho iray volana aza tsy zakan’ny mpandeha noho ny tsy fisiam-bola sy ny vidim-piainana midangana amin’izao, ka mainka fa ity vao nampiharina vaovao ity.
Gaboraraka
« Tsy manda ny fampiakarana saran-dalana ny tenako fa tokony hojerena miaraka kosa ny maha olona sy ny zon’ny mpandeha ary ny kalitao homena azy ireo. Io no hitako fa vahaolana maharitra ka samy mahazo tombony ny rehetra ». Ny olana misy, hoy izy, rehefa tapitra ny vakansy maha betsaka mpandeha sy mpivezivezy dia hidina ho telo alina na 35 000 Ar indray ny saran-dalana toy ny zava-nisy hatramin’izay noho ny tsy fisian’ny firaisankinan’ny mpitatitra sy mpamily samy mandeha samy mitady, ka manjaka ny goragora. Na ny fitantanana amin’ny toby fiantsonana aza, hoy ity mpitantana kaoperativa ity, gaboraraka. « Tsy afaka sy mitombo isa ny mpanera, manjaka ny asa ratsy, ny sasany eny ivelan’ny toby no mandray mpandeha. ».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.