Actualités

Tolagnaro Rahonana hanohana kandida ny talen-tsekoly


  • Zoma 05 Martsa 2010

Nisy famoriana ireo talen-tsekolim-panjakana tao Tolagnaro ny alarobia 03 martsa lasa teo.

Ny fandaminana, ny fampandehanana ny asa amin’ny ankapobeny no anisan’ny lahadinika nifampizarana tamin’izany ankoatra ny fanomezana toromarika mikasika ny pedagojia. Hatao fanao isam-bolana ity fihaonana ity. Nandritra izany fivoriana izany anefa no nitrangan-javatra hafahafa satria dia niditra politika, ary tonga hatrany amin’ny fifidianana ny resaka, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Izay teo ihany, fa ny tsy zakan’ny mpivory dia ny fahasahiana nataon’ny mpitarika nilaza fa raha te hijanona amin’ny toerany ireo tale dia mila manohana an-dRamose. Rehefa natao ny fikaroham-baovao dia vadin’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Tolagnaro ity «Ramose» resahina ity. Manam-paniriana hirotsaka hofidina depiote ny tenany. Efa kandida tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna tao Tolagnaro izy. Fandrahonana no nandraisan’ireo talen-tsekoly izany filazana izany. Nanamarika ireo talen-tsekoly ireo fa ny fitondrana teo aloha aza niala tamin’ny fampidirana politika amin’ny fampianarana, ka nanafoana ny TIM Fanabeazana. Koa maninona no hiverenana indray izany amin’izao Fahefana Avon’ny Tetezamita izao ?

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT