Actualités

Tolagnaro Nakaton'ny Lehiben'ny Faritra ny ivontoerana-piofanana ambony (I.S.F.P.T.)


  • Zoma 05 Septambra 2014

Tsy afa-nanohy ny fianarana sy ny fiofanana ireo mpianatra ao amin'ny ivontoerana ambony ho amin'ny fiofanana paramed sy transit (I.S.F.P.T) manama ny foibeny ao Antaninarenina Faradofay.

eta content="text/html; charset=utf-8" http-equiv="Content-Type" /> eta content="Word.Document" name="ProgId" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Generator" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Originator" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_filelist.xml" rel="File-List" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_themedata.thmx" rel="themeData" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_colorschememapping.xml" rel="colorSchemeMapping" />tyle type="text/css">

Antony nanakatonan'ny tompon’andraikitra voalohany ity toerana ity ny fitarainan'ireo ray aman-dreny ny tsy maha ara-dalàna ny fisian'io sekoly ambony iray io. Nohazavain'ny talen'ny ivontoerana fa tsy mitombina izany. Iray Volana lasa izay, tsy afaka nanao ny asany ny sekoly. Eo am-piomanana ny stazy tokony hataon'ireo mpianatra ny tomponandraikitra no nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny fiadidian'ny faritra. Voatery nofoanana ilay stazy. Hatreto, tsy mbola mahalala an'izany ireo mpianatra. Marihina fa zanaka malagasy miisa 72 mianadahy no mandranto fianarana ao, dia paramed 54 sy transit 18. Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny tompon’andraikitry ny ivontoerana no nahafantarana fa manana ny taratasy ara-dalàna avy amin'ny minisitera ry zareo. Nanaitra azy ireo ny fahasahian'ny Lehiben'ny Faritra nanao fihetsika toy izany. Araka ny lalàna, tsy manana fahefana manakatona sekoly ity farany, hoy ny loharanom-baovao azo antoka. Amin'ireo ray aman-drenin'ny mpianatra, midika ho fanaparam-pahefana ny toy izao. Tsy mifanalavitra amin'izany kosa ny an'ny tomponandraikitry ny ivontoeram-piofanana. Voatery nitondra ny raharaha any amin'ny Chambre Administrative any Toliara ny tompon’andraikitra. Marihina fa ny minisiteran'ny Fampianarana Ambony ihany no afaka manakatona sekoly ambony. Ny Ivontoeram-piofanana Ambony dia efa manana sampana ao Androy, Atsimo Andrefana, Analamanga ary Anosy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT