Toky Rakotobe

«Vahaolana ny fametrahana ny mangarahara»


  • Talata 13 Mey 2025

Tsy voaharo ny harem-pirenena eto, hoy ny mpahaiolona ara-kolontsaina sady

mpikamban’ny fikambanana Tandroharena na fikambanan’ireo mpianatra mpikaroka sy mpikaroka momba ny vakoka, Toky Rakotobe. Gaboraraka, robain'ny vahiny tanteraka i Madagasikara, hoy izy. Ny malagasy mangetaheta ambony lakana fotsiny. Mahantra ambony harena ilay malagasy. Efa manomboka mifehy ny tanàna izao ny vahiny eto. Izay metimety amin’ny mpitondra foana no hataony. Ny Ambatovy aza ity mbola manjavozavo ny fitrandrahana ao. Tsy Ambatovy irery no fitrandrahana goavana eto fa eo koa, ohatra, ny QMM ary hiditra koa io ny Base Toliara. Misy maro mihitsy fa tena mbola tsy mazava. Firy isan'jaton'ny vola azo avy amin’ny fitrandrahana an'ireny moa no hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana? Firy no azon'ny kaominina misy ilay fitrandrahana? Tsy mangarahara mihitsy io fitrandrahana io eto aloha raha ny fahitako azy. Avy any ambony ny ohatra. Tsy mangarahara ny lohany dia manaraka an'izay koa ny aty ambany! Harem-pirenena mety lany ireny nefa ny risitorina tsy mazava. Manginy fotsiny ny mivoaka malalaka ny sisin-tany. Efa tsy lazaina intsony, efa iaraha-mahalala. Vahaolana ny fametrahana ny mangarahara. Aza afenina! Avoahay ho fantatry ny malagasy eny ifotony misy ireny harena ireny ny tombony ho azo, ny vokatry ny fitrandrahana eo amin'ny tontolo iainana sy ny rehetra, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT