Zava-dehibe io fandraisantsika ny fivoriamben’ny SADC amin’ny
maha vondrona rejionaly azy io, hoy ny mpikatroka eo anivon’ny antoko politika UNDD, Dr Joseph Randriamiarisoa. Tokony hararaotintsika mihitsy io, hoy izy, hahafahantsika mampiditra fiaraha-miasa lehibe sy manana toerana lehibe ao anatin’ilay vondrona. Azontsika atao tsara ny mampiasa an’io amin’ny resaka toekarena, politika, diplaomatika, indrindra moa hoe isika no mitarika azy fa jerena tsara hoe inona moa no mahasoa ny firenena anatin’io fikambanana io? Mety ho tombony io resaka nosy manodidina io, ny resaka varotra, ny resaka indostria sy ny maro hafa. Raha tsy haintsika nefa ny manararaotra an’izay ao anatin’io rafitra io dia fatiantoka fotsiny ohatran’ny resaka fihaonana fotsiny. Tombony be iray ahafahana manonitra ny fahavoazana eto amin’ny firenena io. Zava-dehibe ao anatin’ny fitantanana ny firenena ny fomba fiasa na «méthodologie». Mila apetraka hoe inona no maika, ny mahasoa, ny tena tsy maintsy ilaina? Raha ny fitondràna na governemanta no tsy mahay mametraka izay fomba fijery izay fa mihazakazaka amina zavatra tsy mahasoa ny firenena na rendrarendra fotsiny dia tsy handroso isika. Zava-dehibe ny fisian’ny fomba fiasa mirindra, milamina, voalanjalanja sy voahevitra tsara. Tsy afaka hitondra firenena rehefa tsy mahalala laharam-pahamehana fa baoridelina, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.