Hatramin’ny taona 2009 nisian’ny krizy teto amin’ny firenena no voalaza fa tena nampahazo vahana ny tokantranomaso teto amintsika
Betsaka mantsy ireo very asa ka nanjary sahirana, nanjaka ihany koa ny gaboraraka ka zary lasa lamaody ny fanambadiana tsy misy taratasy. Ho an’ny Boriborintany I etsy Soarano dia tena voamarika mihitsy izany. Nihena ny isan’ireo olona tonga nisoratra tao amin’izy ireo, araka ny fanadihadiana natao. Amin’izao taona 2014 izao indray vao manomboka mitombo. Ho an’ilay mariazy faobe nokarakarain’izy ireo niaraka tamin’ny fikambanana Zana-bahoaka teto Antananarivo renivohitra ny 25 Jona lasa teo, araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra misahana ny fisoratam-panambadiana ao amin’ity Boriborintany ity ihany dia 15 monja sisa ireo mpivady niroso tamin’izany, nahatratra 100 teny am-piandohana. Ankoatra ny fahasahiranana moa dia anisan’ny sakana ho an’ny mpifankatia efa miray trano tsy hisoratra ihany koa ny fanafarana kopia nahaterahana any amin’ny toerana lavitra nahaterahany. Misy koa anefa ireo malaina ny handray andraikitra mihitsy, indrindra fa ny lehilahy. Ao koa ny rivotra mitsoka avy any ivelany izay mamela malalaka ny mpifankatia hifampiteraka ary misaraka rehefa tsy metimety ny fiarahana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.