Actualités

Tokantrano roa voatafika 1 naratra voatifitra, 5 voakasi-tanana, 2 hetsy voaroba


  • Sabotsy 08 Aogositra 2015

Tokantrano iray tao Fiadanana-Antsirabe no notafihin’ny jiolahy mirongo basy ny alin’ny alakamisy 06 aogositra teo. Mbola teo am-pisakafoanana ny tao an-trano no tong any jiolahy, tokony ho tamin’ny 7 ora latsaka fahefany hariva.

 Naheno kotaba ny tovolahy iray ary nitazana ka jiolahy niisa telo nirongo basy no nibosesika nivoaka ny trano iray avy notafihiny ary nandrava ny fefy ka niditra an-keriny tao amin’ilay tokatrano iray hafa indray teo akaiky teo ihany. Tsy nisy resaka fa avy hatrany dia daroka vody basy sy baramina no nahazo ny olona tao an-trano no sady nanangona izay poketra rehetra hitany. Olona telo mianaka sy mpianaka tao amin’ireo tokatrano voaroba ireo no samy niharan’ny herisetra vokatry ny fikasihan-tanana ary tovovavy iray avy niasa ka nandeha hody kosa no voatifitra teo amin’ny tongony raha nifanena tamin’ireo olon-dratsy ireo nandritra ny fitsoahany avy nanafika. Ambaran’ny manodidina moa fa diso adiresy ireo jiolahy ireo satria toa mpanao vato mpivahiny teo amin’ny manodidina teo no tena nokarohin’izy ireo saingy tsy hitany izany ka izay trano sendra azy no nanaovany ny asa ratsiny. 200 000 Ariary eo no fa lasan’ireo jiolahy tamin’ireo tokatrano 2 notafihiny ireo. Vodi-bala niisa 3, sy bala nà kalaky miisa 4 mbola tsy nipoaka no hitan’ny polisy teny an-toerana, izay manamarina ny fampiasan’ireo jiolahy fitaovam-piadiana mahery vaika.



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT