Naseho sy nambara ampahibemaso tetsy amin’ny foibe toeran’ny antoko etsy Ankadivato Bel’Air omaly ny fisian’ny didim-pitondrana lah. 22 828/2014 avy amin’ny minisiteran’ny atitany milaza ny maha ara-dalŕna ny fisian’ny antoko politika Tiako i Madagasikara. Ambara, araka ity taratasy ity, hoy Razoarimihaja Solofonantenaina sy Mamy Rakotoarivelo nanoloana ny mpanao gazety maro fa miverina amin’ny tompony ny antoko Tiako i Madagasikara naorin’i Marc Ravalomanana, izay tantanan’Atoa Razoarimihaja Solofonantenaina ary manana ny foibeny ao Ankadivato Antananarivo 101. .....
Hiatrika ny fifidianana kaominaly ary hanana kandidà manerana ny Nosy
Ambara mazava, hoy ny Sekretera jeneraly, Mamy Rakotoarivelo, fa tokana ny antoko Tiako i Madagasikara ankehitriny ka tsy misy intsony fa foana izany TIM Raharinaivo noventesina taloha izany. Vonona ny handray an-tanandroa izay rehetra mitovy tarigetra sy vonona hanaraka ny fepetran’ny antoko izahay, hoy ity Sekretera jeneraly ity, izay niantso manokana ny MAMAFISOA tarihan-dRajemison Rakotomaharo sy ny FFF entin-dRadavidson Andriamparany hanatevin-daharana ny loharano nipoirana. Mbola nambaran’ireto mpitarika ny TIM ireto koa fa vonona hiatrika ny fifidianana kaominaly ho avy ry zareo ary hanana kandidà amin’ireo kaominina 1549 manerana ny Nosy. Hiditra ao anaty fianakaviamben’ny Ankolafy Ravalomanana ny TIM ary hanana vondrona parlemantera eny amin’ny Antenimieram-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.