TOHOTOHOBATON’AMBONDRONA

"Court circuit" no nampirehitra ilay trano


  • Alakamisy 13 Martsa 2025

Nitrangana haintrano omaly Alarobia 12 Martsa tokony ho tamin’ny 01 ora teo amin’ny

tohotohobaton’Ambondrona. Trano iray tsy misy rihana mitafo fanitso miorina afovoan-tanàna no fantatra fa nirehitra tamin’izany. Vao nanomboka ny afo dia niantso ny sampana mpamonjy voina ny manodidina ka vetivety dia voafehy ny afo. Tao anatin’ny 3 minitra monja mantsy dia tonga ireto farany raha 20 minitra teo ho eo no nifehezany ny afo. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia cour circuit no niteraka ny firehetana koa hanaovan’ny sampana mpamonjy voina antso avo amin’ny rehetra mba samy hitandrina. Toraka izany koa ny fampiasana labozia amin’ny alina, ny jiro solitany…Nisy ihany moa ny ampahan’entana vitsivitsy may tao amin’ity tokantrano ity saingy tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy.
Pati
Legende : Nandritra ny famonoana ny afo nataon’ny sampana mpamonjy voina ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT