TOHO-DRANO AO AMIN'NY

LEMAK'ANDROMBA


  • Talata 11 Novambra 2025

200 ha amin'ny 980 ha sisa no azo hambolena

Velon-taraina fatratra ny Solombavambahoaka voafidy tany amin'ny distrikan'Ambohidratrimo Rakotoarisoa Johnny. Raha araka ny fanazavany mantsy dia tanimbary 200 ha amin'ny 980 ha sisa no azo hambolena ao amin'ny lemak'Andromba mampisaraka ny distrikan'Ambohidratrimo amin'Arivonimamo vokatry ny olana ara-drano. Noho ny olan'ilay pont barrage ao Ambohidratrimo no nambarany fa antony mahatonga izany, foto-drafitrasa izay efa nangatahiny tamin'ny taona 2015 tamin'ny Fitondram-panjakana ny hanamboarana azy fony izy mbola Ben'ny tanana. Hetahetan'ity Solombavambahoaka ity araka izany ny hanamboarana io toho-drano io faran'izay haingana indrindra ao anatin'izao vanim-potoanan'ny fanovana izao. Lasa hataon'ny olona fanaovana propagandy fotsiny mantsy izy rehefa misy fifidianana indrindra fa ny fifidianana Filoham-pirenena. Ankoatra izay dia nomarihiny fa mila lakana ihany koa ny distrikan'Ambohidratrimo amin'izao vanim-potoanan'ny fahavaratra izao hiarovana ny ain'ny mponina amin'ny fiampitana etsy sy eroa.
Pati
Légende : Ny depiote Johnny Rakotoarisoa voafidy tany amin'ny distrikan'Ambohidratrimo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT