Actualités

Tohin’ny raharaha tany Mahajanga Mikaton ny biraon’ireo vadintany anio


  • Alarobia 05 Jolay 2023

Manoloana ny tranga nahazo ny vaditany sy mpanao lavanty, Maitre Kanto Rakotonatoandro, tany Mahajanga,

dia nampahafantatra ireo vadintany sy mpanao lavanty omaly fa noho ny fanagadrana ny naman’izy ireo dia mikatona ny birao fiasan’ny vaditany rehetra manerana an’i Madagasikara amin’ity anio 5 jolay 2023 ity. Tsy miasa, hoy ny fanazavana, noho izany, ny vadintany na CLERCS. Raha tsiahivina fohy dia raharaha tsy fandoavana raim-pianakaviana iray solon-tsakafon-jaza na «pension alimentaire» moa no nanadobohana ilay vadintany rehefa nitaky izany, hoy ny fanazavana voaray. Nolavina ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ity vaditany miasa ao Mahajanga ity. Tsy noraisina ny andininy faha 30. Tsy noraharahiana ny andininy faha 617 CPC milaza fa azo atao ny fanatanterahana didy na «saisie exécution» fa tsy mila hitsivolana izany ary andinin-dalàna hafa maro, hoy hatrany ireo naman’ity vadintany ity. Mampametra-panontaniana etsy ankilany hoe tena ilay fitakiana sakafon-jaza tokoa ve no anton’ilay fampidobohana am-ponja sa fandikana lalàna hafa? Andrasana hatrany ny tohin’ity raharaha ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT