Na dia mbola mahare mamirifiry ihany aza isika eto an-drenivohitra sy amin’ny faritra maro tato anatin’ny andro vitsivitsy izay dia fantatra fa tsy vokatry ny hatsiaka nateraky ny vanim-potoanan’ny ririnina intsony izany.
Raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro mantsy dia efa nifarana tanteraka ny vanim-potoanan’ny ririnina eto Madagasikara ary efa miditra miandalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika izao. Antony mahatonga ilay hatsiaka araka izany ny fisian’ny rahona avy any amin’ny ranomasimbe Indiana mandrakotra ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy sy ny eto afovoan-tany. Mbola hidina ambany hatrany ny hafanana eto afovoan-tany araka izany mandritra ny 4 na 5 andro eo ho eo raha any amin’ny faran’ny herinandro any vao hiverina hafana tanteraka izany. Mila miomana hatrany amin’ny fitafiana mafana araka izany ny rehetra indrindra fa ireo mety ho tratra hariva vao tafody any an-tokantrano.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.