Actualités

Toetry ny andro Mila miomana dieny izao hiatrika ny fahavaratra


  • Alarobia 09 Septambra 2020

Rehefa fotoam-pahavaratra dia miakatra ny loto izay entin` ny riaka ary mitsikafona eny an-dalambe rehetra eny na manaraka lakan-drano na lalany ka mivarina any amin` ny toerana iva.

 

 

 Mahatsiravina ny hitan` ny maso ary tsy laitra iainana ny fofona indrindra manodidina lakan-drano izay heno rehefa miakatra ny hafanana. Misy ihany koa moa fianakaviana na tokantrano no tsy manana toeram-pivoahana ka manary ny malotony any anaty tatatra na lakan-drano. Manampy ny fiparitahan` ny aretina toy ny pesta sy aretin-kibo anefa ireny toerana maloto sy iangonan` ny fako ireny. Rehefa fotoam-pahavaratra ihany koa dia tapaka ny herinaratra amin'ny toerana maro eto Antananarivo sy ny manodidina, noho ny andro ratsy izay miteraka tsy fahatomombanan'ny fitaovam-pitaterana herinaratra. Ankoatra izay, dia rehefa fotoam-pahavaratra dia maro ireo loza voajanahary. Ahoana ny hamonjena ireo olona traboina sy ny handefansa ireo kojakoja samihafa ilainy? Rehefa fahavaratra, tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny faharatsian’ny lalana eto Antananarivo Renivohitra. Manerana ny nosy mihitsy aza. Tapitra potika sy simba avokoa ny lalana rehetra aleha. Vokatry ny fahasimbana anefa, mitohana be tsy misy ohatra izany ny fifamoivoizana.Tena loza ho an’ny fifamoivoizana ireny lavaka be ireny satria ankoatra ny fitohanana aterany dia sady manimba fiara no mety hiteraka fandratrana olona mihitsy raha sanatria misy fiara latsaka ao. Eritreretina heverina ho ratsy loatra ny faminavinana trangana loza voajanahary saingy “ny tsara fiomanana, tsy tampohan` ny loza”

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT