Toetry ny andro

Miha ratsy ny tolotra aterineto


  • Alakamisy 20 Febroary 2025

Vokatry ny toetry ny andro indray dia miha ratsy ny tolotra aterineto

tato anatin’ny herinandro izay, raha ny fitarainana voaray avy amin’ireo mpikirakira itony tekinolojia vaovao itony eto amintsika. Ny olana amin’ny tsy fahatomombanan’ny herinaratra sy ny famatsian-drano efa eo. Io farany io moa dia mahalasa saina ny maro mihitsy hoe fa ahoana ary izany lojikan’ny JIRAMA izany? Arakaraky ny fiakaran’ny rano sy maha be ny rotsak’orana indray ve izany no maha tapaka ny rano tokony ho vatsian’ity orinasa Jiro sy rano malagasy ity? Mahatonga heritreri-dratsy ho an’ny sasany mihitsy aza hoe sao sanatria iniana tapahana mihitsy mba hianteheran’ny olompirenena amin’ny fitatazana izay rotsak’orana izay? Maha faly sahirana hatreto ny fisian’ny rotsak’orana. Ho an’ireo tantsaha mpamokatra moa izany dia velombolo ny vokatra saingy ho an’ireo mponina eny amin’ny faritra iva sy izay manana fihariana lasa voahelingelin’izay toetry ny andro izay, toy ireo mikirakira tekinolojia voalaza teo, dia lasa sahirana ao anatin’izany rehetra izany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT