Ny eo tsy milamina, ny eo misisika ihany ! Taorian’ny oram-be tsy an-kiato isan-kariva sy alina,
nanamafy ny Foibe famantarana ny mety ho toetry ny andro omaly, fa misy andro ratsy roa miforona ao andrefana sy atsinanan’i Madagasikara. Ny voalohany dia ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ka any amin’ny manodidina ny 480 km andrefan’i Morombe ny misy ny foibeny. Ny faharoa kosa dia any amin’ny manodidina ny 200 Km atsinanan’i Toamasina. Mbola malefaka avokoa ny herin’izy ireo. Tomombana amin’ny ankapobeny ny tontolo hivoaran’ireo faritra andro ratsy ireo ka vinavinaina hitombo hery ho lasa rivodoza izy ireo ato anatin’ny 48 ora manaraka. Mety ho haingana kokoa aza izany noho ny hamandoana mahazo vahana sy ny tsy fahamarinan-toeran’ny habaka. Tombanana hanalavitra miandalana ny morontsiraka ilay andro ratsy ao atsinanan’ny faritra Atsinanana ka hanambana ny Nosy rahavavy (La Réunion sy Maorisy). Mety hanambana mivantana ny faritra atsimon’ny Nosy kosa ilay andro ratsy miforo na ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika any amin’ny faran’ny herinandro. Tsy mbola misy ny filazana loza mikasika ireo andro ratsy miforona ireo. Misy kosa ny fampitandremana mikasika ny fahabetsahan’ny rotsakorana sy ho an’ny mpampiasa ranomasina. Ankoatra io, namoaka ireo Sampan-draharaha misahana ny fanaraha-maso ny resaka tondra-drano, fa mitoetra ny fampitandremana miloko mavo na « Loza manambana » amin’ny resaka fiakaran’ny rano amin’ny kaominina maro manodidina an’Antananarivo : Ankadimanga, Ampangabe, Fiadanana, Ambohitrimanjaka, Iarinarivo, Sabotsy Namehana, Ankadikely Ilafy, Anosy Avaratra, Talatamaty, Ambohibao Antehiroka, Iarinarivo, Antananarivo Renivohitra,… Ankoatra ny eto Antananarivo, toerana maro saika manerana ny Nosy dibo-drano ka anisan’ny lasibatra i Ambatondrazaka Renivohitra omaly noho ny orana nikija ny alin’ny alahady teo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.