Toetry ny andro

Hisy ny fihotsahan’ny tany sy ny lalana…


  • Alarobia 05 Febroary 2025

Levona omaly ihany ilay rivodoza Faida ! Hahazo vahana ny tsiokan’ny talio any amin’ny

tapany Avaratra andrefan’ny nosy, hoy ny fampitam-baovaon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro omaly, araka ny sary voaray avy amin’ny zana-bolana tamin’ny 3 ora tolakandro, ora teto amintsika. Tombanana ho betsaka araka izany ny rotsak’orana amin’ireo toerana ireo. 80 hatramin’ny 130mm ny rotsak’orana andrasana ao anatin’ny 24 ora, izany hoe hatramin’ny anio amin’ny 3 ora tolakandro any ho any. Omaly talata 4 febroary 2025, ho an’ny faritra Betsiboka sy ny tapany avaratr’i Alaotra Mangoro. Nanomboka omaly hatramin’ny alakamisy 6 febroary 2025 ho an’ny faritra Boeny, ny distrikan’i Ambilobe, Ambaja, Nosy-Be, Bealanana, Analalava, Antsohihy, Boriziny sy Mampikony. Manomboka ny alakamisy 6 febroary 2025 hatramin’ny zoma 7 febroary 2025 ho an’i Besalampy, Maintirano, Ambatomainty ary Morafenobe. Hisy, noho izany, ny fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavan’andro, ny fiandronan’ny rano amin'ireo toerana mora tondraka, ny fiakaran’ny renirano, fihotsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo toerana marefo. Fampitandremana miloko mena, noho izany, ho an’ny faritra Boeny, Betsiboka, ny tapany Avaratr’i Alaotra Mangoro, ny distrikan’i Ambilobe, Ambaja, Nosy-Be, Bealanana, Analalava, Antsohihy, Boriziny sy Mampikony. Fampitandremana miloko mavo ho an’i Besalampy, Maintirano, Ambatomainty ary Morafenobe. Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toro-marika omen'ny manam- pahefana isan-tokony, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT